- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversIsandra : Olona folo maty voatifitry ny dahalo

Isandra : Olona folo maty voatifitry ny dahalo

Nandriaka ny rà. Nirefodrefotra ny basy. Izany no niseho tao amin’ny fokontany Maharivo, ao amin’ny kaominina Isandra. Olona folo no matin’ny dahalo tao anatin’ny fifandonana mafy, ny alarobia lasa teo. Raha ny fanazavana azo dia mpikambana eo anivon’ny Soa Miara-dia no namoy ny ainy. Miompana amin’ny fivarotana omby ity fikambanana ity ary ao anatin’izany koa ny fiambenana ireo biby fiompy amin’ny asan-jiolahy. Raha ny fanazavana azo dia efa noezahin’ny zandary ny nitady ireo razana izay maty tao anatin’ny fifandonana. Telo no efa azo ary naterina tany amin’ny fianakaviany. Tao anatin’ny ady dia nisy ihany ny malaso izay voatifitra saingy mbola afaka nitsoaka na izany aza. Nandrasana tao amin’ny tranom-pokonolona tao an-toerana ireo olona maty. Mbola mitohy ihany fikarohana ireo razana ambiny ary miara-miasa ny zandary sy ny miaramila eo anivon’ny Détachement Autonome de Sécurité (DAS) amin’izany asa izany. Isan’ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro ny filaminana ny hoe handeha hamonjy tsenan’omby tao Ambalavo ireo olona ireo no novonoin’ny dahalo.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici