Noho ny fanafihan-dahalo mahazo laka any amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, dia mihorohoro fatratra ankehitriny ireo mponina mahatsiaro tena ho tsy misy mpiaro sy mpiahy intsony. Enina andro taorian’ny tifitra nataon’ ireo andian-dahalo tanora 13 lahy nirongo basy nanafika tao an-tanànan’i Ravimbao, Fokontany Ambalamarina any amin’ny Kaominina ambanivohitra Andremalama, Distrikan’ Isandra, ny tolakandron’ny 16 marsa lasa teo, ka nahavoatifitra zazavavikely iray vao 15 volana teo amin’ny lohany, dia mbola tsy mahatsiaro tena miady mafy amin’ny fahafatesana hatramin’izao i Elisabeth, izay tsaboina ao amin’ny Hopitaliben’i Tambohobe Fianarantsoa. Raha ny nambaran’ny mpitsabo, araka ny tati-baovao voaray farany, dia mbola tavela ao amin’ny lohan’ity zaza tsy manan-tsiny ity ny bala. Noho ny volabe tsy maintsy ilaina amin’ny fanasitranana azy, taorian’ny antso avo nataon-dry masera ao amin’ny Caritas Ambatomena, dia miara-mifarimbona manampy ny fianakavian’i Elisabeth ho fiatrehana ny fitsaboana an’ity zaza ity ireo olon-tsotra sy fikambanana maro samihafa ao an-tampon- tanànan’i Fianarantsoa. Raha tsiahivina ny tantara, tsy nionona fotsiny tamin’ny fandrobana ny omby sy entana teo an-tanàna ireo malaso, fa notifirin’ireo tsy mataho-tody avokoa tsy nananany antra izay sendra azy. Ary saika nentin-dreniny nitsoaka ity zazavavikely vao iray taona sy tapany ity no voatifitra teo an-tokotanin’ny trano nipetrahany, ka bala efatra niatefa teny amin’ny vantany, ary fitahian’ Andriamanitra no tsy nahafaty azy. Ankoatra ity zaza ity dia olona iray no namoy ny ainy ary maro ireo naratra.
Eric Manitrisa