- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversIsoraka : Fiara nitsoraka tany Anosy, olona roa maratra

Isoraka : Fiara nitsoraka tany Anosy, olona roa maratra

Lozam-pifamoivoizana nampitolagaga ny maro no niseho teny Isoraka, omaly tokony ho tamin’ny 2 ora maraina tany. Fiara 4X4 iray, voalaza fa nivoaka ny làlana teny Isoraka eo amin’ilay fiolahana iny indrindra ary avy hatrany dia nitsoraka teny Anosy, na ny marina kokoa, amin’ilay arabe manaraka ny sisin’ny farihy. Potika tanteraka ilay fiara. Ireo namonjy teny voalohany nilaza fa tafiditra tany amin’ny toerana nisy ny mpamily ny moteran’ilay 4X4. Potika tanteraka ilay fiara ary tsy nisy azo noraisina intsony. Vokany, naratra avokoa ireo olona roa tao anatiny. Mbola manaraka fitsaboana izy ireo. Na izany aza anefa, tsy dia misy atahorana ny amin’ny ainy. Ny antony nahatonga ny loza, araka ny filazan’ny olona mipetraka tsy lavitra eny, nandeha mafy ity fiara ity avy any ambony any. Tsy fantatra na vokatr’izany no tsy nahafehezan’ilay mpamily ny familiana, ka dia izao nivadika izao. Nisy moa ireo mponina no nanampy fa nisy adiady tany ambony tany.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser