- Publicité -
mardi, août 19, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIsoraka : Namoy ny ainy ilay ramatoa mpivarotra voatifitra

Isoraka : Namoy ny ainy ilay ramatoa mpivarotra voatifitra

Ny talata maraina lasa teo, ny ampitson’ilay fanafihana nahazo azy, no namoy ny ainy ilay ramatoa, mpivarotra tetsy Isoraka. Vokatry ny tifitra nahazo azy teo amin’ny kibony dia tsy avotra intsony ny ainy na dia teo aza ny ezaka nataon’ireo mpitsabo. Tsiahiviana fa mpivarotra enta-madinika ity ramatoa ity, izay manao ny fitadiavam-bolany teo an-tampon’Ambodiafakarana teo. Heverina fa efa voatily efa hatramin’izay izy saingy tamin’io fotoana io no nanatanterahan’ireo jiolahy ny asa ratsiny. Ora-mikija rahateo moa ny teto an-drenivohitra tamin’io alatsinainy hariva io. Sendra niato kely izany orana izany ka niolomay namonjy fodiana avokoa ny olona. Tao anatin’izany somebiseby isan-karazany izany no nirefotra ny basy, niantefa teny amin’ity mpivarotra ity. Roalahy izy ireo, hoy ny fanazavàna azo, ary raha vao nitolefika tao anaty rà mandriaka ilay ramatoa dia nendahin’izy ireo ny poketra teny aminy ary lasa nitsoaka ireto farany. Efa eo am-panaovana fanadihadiana tanteraka mahasika ity tranga ity moa ireo pôlisy misahana ny heloka bevava, izay nandray an-tanana ny raharaha. Ary fantatra fa toa hoe efa nisy ireo olona nohenoina mahakasika izany tranga izany.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici