- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversIsoraka : Nofatorana ny mpiambina, novakiana ny « coiffure »

Isoraka : Nofatorana ny mpiambina, novakiana ny « coiffure »

Manodidina ny tamin’ny folo ora alina, ny alatsinainy lasa teo, no tonga nandroba tao amin’ny toeram-panaovam-bolo iray etsy Isoraka ny jiolahy maromaro, tsy latsaky ny efatra, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny voatafika. Nisy niambina ihany io toerana io saingy sendra ny be noho ny vitsy izy ka tsy afa-nanoatra. Nofatoran’ireo olon-dratsy io farany ary rehefa vita izany dia nanomboka amin’izay ny fangalàna ireo entana rehetra tao amin’ilay toerana. Najifa tanteraka : lasa ny “brushing” lafo vidy sy ny fitaovana hafa ary ny kojakoja rehetra fampiasa amin’ny volo. Nisy ihany ny fiantsoana mpitandro ny filaminana, raha araka ny fantatra, saingy tsy hitan’izy ireo mihitsy ilay toerana. Asa na teo amin’ny fampitàna ny vaovao no nisy indro kely noho ny hamehana na koa iretsy mpamonjy mihitsy no tsy mbola mahafantatra mihitsy ny toerana misy ilay “salon de coiffure”. Manodidina ny roa tapitrisa ariary eo raha ny tombana amin’ny vidin’ireo fitaovana very. Izany anefa izao dia amidin’ireo olon-dratsy eny Isotry amin’izay ahazoany vola kely entina mividy toaka, rongony, sakafo kely dia izay no izy. Nefa dia fiainan’olona maromaro no indray miankina amin’io fanaovam-bolo ireo, orinasa kely izay tsy afaka ny hihodina raha tsy misy ireo fitaovana ireo, izay  indrisy fa lasan’ny jiolahy…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici