Sangisangy niafara tamin’ny vono olona ! Ny sabotsy lasa teo, lehilahy iray no voatifitry ny polisy namany, tetsy Isoraka. Voa teo amin’ny lohany ity lehilahy ary maty tsy tra-drano. Nitolo-batana avy hatrany tany amin’ny lehibeny moa ity mpitandro filaminana ity; izay marihana fa mbola zazavao, mpiana-draharaha.
Ny zava-nisy araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny polisim-pirenena. Avy niasa ary niomana ny handeha hanatitra ny basiny etsy amin’ny toeram-piasany, kaomisarian’ny boriborintany fahefatra ity polisy mpiana-draharaha iray no nifanena tamin’ny namany sivily iray. Niaraka nikorana teny amina trano iray teny amin’iny faritra Isoraka iny izy ireo sy ny namany vtsivitsy nony avy teo. Niainga teo ny sangisangy sy ny tariny ary tonga hatramin’ny fanandramana ny basy fiasany teny amin’iny polisy ity angamba. Teo no nitranga ny loza. « Voatifitra tsy nahy teo amin’ny lohany ilay namany iray ary maty tsy tra-drano » hoy ny vaovao. Nanakoako eran’ny trano moa ny feom-basy ary nandriaka tamin’ny tany ny rà. Nikoropaka sy niolomay avokoa ny rehetra. Nahatsapa ny hadisoana nataony moa ity polisy mpiana-draharaha ity ka lasa avy hatrany nitolo-batana teny amin’ny lehibeny ary nitantara ny zava-nisy. Tetsy an-danin’izay kosa, na dia nezahina nentina nihazo toeram-pitsaboana aza ilay tovolahy voatifitra, dia tsy nisy azo natao taminy intsony ka navantana avy hatrany teny amin’iny tranom-patin’ny Hjra. Ilay nahavanon-doza kosa, raha ny voalaza hatrany, dia « efa notanana avy hatrany ny tenany hatao fanadihadiana. Ka ny polisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava (BC) no nandray an-tànana ny raharaha amin’ny maha- vono olona azy ». Fantatra ihany koa, fa atao mifanindran-dalana amin’ny fanadihadiana ataon’ny BC ny fanadihadiana izay hotanterahan’ny sampan-draharahan’ny polisy misahana ny fanaraha-maso ny polisy na ny IGPN. Satria, araka ny fampitam-baovao hatrany, dia « ankoatry ny maha-heloka famonoana olona, dia misy ihany koa ny fahadisoana arak’asa », izay iandraiketan’ity sampan-draharaha iray ity. Tsy handefitra mihitsy amin’ny fihoaram-pefy sy tsy fahafehezana ny asa tahak’izany ny eo anivon’ny polisim-pirenena, raha ny vaovao. « Araka ny nambaran’ Atoa Minisitry ny filaminam-bahoaka, dia tsy ekena mihitsy ny fifampiarovana sy ny tsikombakomba eo amin’ny polisim-pirenena, raha misy polisy mahavita heloka »
m.L