- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversIsoraka : Srilankais mpanao vato voaroba tanaty « couloir »

Isoraka : Srilankais mpanao vato voaroba tanaty « couloir »

Tokony ho tamin’ny 11 ora alina, ny alahady teo no nisy lehilahy efatra izay nitondra poleta miisa roa nidaroka sy nandrahona avy hatrany ny srilakais iray. Raha araka ny fantatra dia mandraharaha amin’ny aferam-bato sarobidy io teratany vahiny io. Vola mitentina manodidina ny valo tapitrisa ariary no lasan’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Tsy nipoaka ny basy saingy ny daroka no nirara-kopana nandritry ny fanafihana. Poa toa izay dia nanjavona tao anaty elakelan-trano ireo jiolahy, asa mety efa nomanina mihitsy angamba ny fanafihana ary efa fantatra ny lalana hizoran’ilay vahiny isan’andro sy ny toerana mety amin’ny fitsoahana. Feno jiolahy ny tanàna ary manana mpanango-baovao fotsiny izy ireo, ny jiolahy izay efa matetika miasa anaty tambajotra. Feno azy ireo mihainohaino eraky ny tanàna, indrindra eo amin’ny toerana be olona sy hihodinan’ny vola. Eny amin’ny fivarotana vato, volamena, ny devizy sy ny toerana hafa misy vola dia efa misy mpitsikilon’ny jiolahy hatrany. Isan’ny efa niharan’izany fanafihana maty paika izany koa ny ramatoa iray izay vao avy nivarotra vato ka nizotra tamin’iny Ambalavao-Isotry iny kinanjo nosakanan’ny fiara tsy mataho-dàlana ary nasaina navoaka ny vola tao anaty paoketrany. Fantatr’ireo olon-dratsy hatramin’ny isan’ny vola tamin’io fotoana io. Manaporofo izany fa matanjaka koa ny mpitsikilon’ny olon-dratsy eto an-drenivohitra ary raha tsy mafy toa izany koa ny mpanangom-baovaon’ny mpitandro ny filaminana dia ny an’ny jiolahy hatrany no tontosa mialoha ny asany. 

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici