Naratra mafy ary voatery naiditra hopitaly. Novelesin’ny jiolahy tamin’ny hazobe ny lohan’ny tovolahy iray handeha hamonjy fodiana. Ny alin’ny alakamisy, tokony ho tamin’ny 11 ora alina, izy no nandalo teo Isoraka, tsy mifanalavitra ny fasan-dRainiharo. Teo no notsenaina tamin’ny herisetra mba hangalana ny fananany. Tsy nisy afaka namonjy ary tao anatin’ny fotoana fohy rahateo ny fanatontonsan’ireo jiolahy ny asaratsy. Ilay lehilahy efa nitsirara tamin’ny tany ary feno rà no nisy nahatsikaritra. Novonjena haingana nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ary mbola mitohy arahi-maso ny toe-pahasalamany. Feno mpiambina ihany iny toerana iny satria maro ny toeram-pilanonana eny. Ankoatr’izay dia mbola feno toeram-pivarotana sy trano fonenan’ny karàna eny Isoraka. Saingy toa nokendren’ireo olon-dratsy mihitsy ny toerana mangingina ahafahany miala amin’izay rehetra izany. Teo no natao ny fandratràna ilay olona. Miteraka olana hatrany ary betsaka ny loza mety hateraky ny fitondràna scooter amin’ny alina. Voalohany, tsy andefaran’ny mpitandro ny filaminana mihitsy ny fisavana azy ireny satria efa matetika loatra no scooter ny fitaovana ampiasain’ny jiolahy rehefa mitsoaka. Manarak’izany, tsiriritin’ny jiolahy hatrany ny scooter satria mora amidy noho izy be mpitady…
D.R