- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversIsoraka : Trano may, rangahy iray namoy ny ainy

Isoraka : Trano may, rangahy iray namoy ny ainy

Manodidina ny tamin’ny telo ora maraina no nirehitra ny trano. (sary nindramina)

Manodidina ny tamin’ny telo ora maraina no nitranga ny loza. Tetsy Isoraka, trano roa izay mifanila no nirehitra fa ny iray no tena ravan’ny afo. Trano fonenana raha araka ny fanazavana azo. Nisy rangahy iray izay natory tao anatiny ary namoy ny ainy tao anatin’ny loza. Ilay trano faharoa kosa mba tsy nisy ny aina nafoy. Tsy mbola tena voamarika ny anton’ny firehetana ary tsy maintsy nanokafan’ny mpitandro ny filaminana fanadihadiana noho ny fisian’ny olona namoy ny ainy. Tsiahivina fa vao ny alin’ny alatsinainy teo koa no namono olona ny hain-trano. Tetsy Anjanahary II S, trano hazo miisa fito no potika tanteraka rehefa nisy firehetana tao amin’ny iray voalohany ka nitatra tamin’ny hafa. Nahonena ny olona ny zava-nitranga satria tao anatin’izany dia fianakaviana iray no indray maty : izy mivady sy ny zanany kely vao roa taona. Io dia voalaza hatreto fa pitik’afo nianjera tao amin’ny moto iray no nitarika ny firehetana. Mbola anatin’ny fanadihadiana koa ny tompon’andraikitra mba hoentina manamarina an’izany na koa mety ho antony hafa no nitarika ny hain-trano. Ny zava-misy izany dia misesy ny hain-trano teto an-drenivohitra hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity ary olona efatra sahady no namoy ny ainy tao anatin’izany. Antony roa hatrany matetika no mitarika ny firehetana dia ny fisian’ny « court-circuit » na koa afo tsy maty ao an-trano. Koa satria mifanakaiky loatra ny fanorenana trano eto an-drenivohitra dia matetika mitatra eo amin’ny manodidina izany ary dia sarotra ny mifehy ny afo. Ny fotodrafitrasa entina miady amin’ny afo, anisany ny fantson-drano, matetika efa tsy mandeha intsony satria efa antitra loatra, tamin’ny fotoanan’ny fanjanahan-tany ny ankamaroany no napetraka. Sarotra araka izany ny famonoana afo raha vao mandalo elakelan-trano.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici