- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry – 67ha : Lehilahy roa, hita faty teny amoron’arabe

Isotry – 67ha : Lehilahy roa, hita faty teny amoron’arabe

Rangahy iray manodidina ny 30 taona any ho any, hita faty teny amin’ny tetezan’i Bekiraro, Isotry omaly vao maraina. Ireo fokonolona mpivezivezy vao maraina teny an-toerana no nahatsikaritra voalohany an’ity vatana mangatsiaka ity, tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany maraina tany ho any. Nampandrenesina avy hatrany moa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izay tonga haingana teny an-toerana. Tamin’ny fizahana nataon’ireo mpitsabo tonga teny an-toerana, dia fantatra fa tsy nahitana dian-dratra ny vatany, na zavatra hafa. Saingy nanentoento fofon’alikaola ny vavany. Hatreto dia tsy fantatra araka izany na maty vokatry ny alikaola be lotra nosotroiny ity rangahy ity na maty vokatry ny zavatra hafa. Efa fantatry maro eny an-toerana rahateo izy fa mamo lava. Efa naterina any amin’ny tranom-paty moa ny razana, ary efa eny an-tànan’ireo mpitandro filaminana ny raharaha. Fa ankoatr’izay, dia lehilahy iray manodidina ny 20 taona any ho any koa no hita faty tetsy akaikin’ny Cenam 67ha, omaly. Naratra be ity lehilahy  ity. Araka ny fanazavana azo, dia mety  ho nodonin’ny fiara izy io saingy nitsoaka ireo nahavanon-doza. Ireo nahita no namindra azy teo amoron’arabe ary niantso ny pôlisy izay tonga haingana teny an-toerana. Fa mbola vatana mangatsiaka iray ihany  koa ho hita tao anaty tatatra, teny amin’iny faritra Itaosy iny, ny alarobia lasa teo. Efa simba tanteraka ny razana, ary azo heverina fa efa nisy andro maromaro  no nahafaty azy. Tsy fantatra hatreto ny mombamomba azy. Ireo mponina eny amin’iny faritra iny ihany tsy nisy nahafantatra ity rangahy ity. Efa mandeha ny fanadihadiana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici