Niisa teo amin’ny efa-dahy teo ry zalahy ireto ary niaraka tamin’ny antsy, raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny polisim-pirenena, no tonga nandroba tao amina tokatrano iray teny amin’iny faritry ny Cité Isotry iny. Tonga ara-potoana teny an-toerana ireo mpitandro filaminana ka nahasambotra ny iray tamin’ireo olon-dratsy.
Ny marain’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany tany ho any no naharay antso avy amin’ny mpiara-monina ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra etsy Isotry, mahakasika resaka fanafihana trano. Raha ny voalaza fa bandy nanodidina ny efa-dahy teo no niezaka nisokitra sy nanao amboletra ny varavarana tokatrano iray. Zava-maranitra no nentin-dry zalahy tamin’izany nanaovany ity asa ratsy ity. Rehefa tafagorobaka tao an-trano izy ireo dia nanao izay danin’ny kibony, nandroaka ireo entana rehetra izay lafo vidy tao an-toerana. Anisan’izany ny fahilavitra roa lehibe, finday ary « subwoofer ». Rehefa azon’izy ireo no zavatra nilainy dia nandositra nihazo an’Antohomadinika iny izy ireo, raha ny fampitam-baovao hatrany. Tonga avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro filaminana rehefa avy naharay ny antso ary nanamboka nanao ny hazalambo sy sahavao ny manodidina. Raikitra teo ny fifanenjehana rehefa fantatra fa nihazo izany faritra voalaza etsy ambony izany izy ireo. Tovolahy iray, manodidina ny 25 taona no tra-tehaka tamin’izany, rehefa hitan’ireo mpitandro filaminana fa hafahafa fihetsika. Nentina nihazo ny birao avy hatrany ity farany ary nanaovana famotorana. Voalaza fa isan’ireo nandray anjara tamin’ilay fanafihana trano tao amin’ny Cité Isotry ity farany. Nasaina nanaro ireo namany hafa, niara-nanao ilay asa ratsy taminy moa ranamana ka heverina fa tsy ho ela dia tratra avokoa ireto farany. Mbola mitohy araka izany ny fikarohana sy ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany.
m.L