Efa malaza ratsy tanteraka amin’ny firongatry ny asan-jiolahy sy ny fanendahana, iny faritr’ Isotry sy ny manodidina iny. Izany indrindra no nirotsahan’ireo pôlisin’ny boriborintany fahavalo, hanao paikady manokana hiadiana amin’izany tsy fandriam-pahelamana izany. Fantatra ary fa andian’olon-dratsy nahatratra teo amin’ny 12 lahy eo ho eo no voasambotr’izy ireo, nandritra ny hetsika « mpanendaka » izay nataon’izy ireo eny an-toerana, ny alarobia lasa teo. Samy kalaza lahy amin’ny a harom-paosy sy sinto-mahery avokoa ry zalahy ireto, raha ny tatitra voaray tamin’ny pôlisy. Samy teny amin’iny faritry ny Tetezan’i Bekiraro avokoa moa ry zalahy ireo no voapaingotra. Misy iray tamin’izy ireo no tsy ampy taonan, raha ny fanazavana azo hatrany. « Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy izy ireo nanaovana fanadihadiana. Misy amin’izy ireo no voasambotra teo am-pifohana zava-mahadomelina ary misy ihany koa tafiditra tamin’ny resaka sinto-mahery. Marihana fa, rehefa avy mifoka rongony izy ireo no manao ny asa ratsiny eny amin’iny faritra iny. Teny amin’ny tetezan-dRamala izy ireo no nanao ny asa ratsiny ka rehefa nanaovan’ny Polisy hetsika iny toerana iny, dia nifindra teny amin’ny tetezan’i Bekiraro indray izy ireo » hoy ny vaovao. Marihana fa, isan’ny mitarika amin’ny tsy fahandriampahalemana eny an-toerana ihany koa ny fisian’ireo mpiloka eny an-dalambe ; izay efa nandraisan’ny pôlisy andraikitra rahateo. « Mbola eo am-panadihadiana ny momba azy ireo izahay ».
m.L