- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry - Antohomadinika : Jiolahy mitam-basy nanafika épicerie maromaro

Isotry – Antohomadinika : Jiolahy mitam-basy nanafika épicerie maromaro

Teo am-panidiana tsena ilay mpivarotra enta-madinika no notongavan’ny dimy lahy mitazona basy lava iray sy poleta iray. Ny harivan’ny talata teo no nitrangan’izany tetsy Isotry, manodidina ny tamin’ny fito ora sy sasany. Nambanana basy ny mpivarotra ary norahonana ny ho faty raha toa ka tsy manome ny vola rehetra tao anatin’ny fitoeram-bola. Nanohitra ihany itsy voalohany na teo aza izany rehetra izany. Tsy notifirin’ny jiolahy fa kosa noratrainy. Taorian’izay dia lasan’ireo olon-dratsy ny vola mitentina 100.000 ariary maty tamin’iny andro iny. Niala teo an-toerana ary tsy taitra akory ny jiolahy naka elakelan-trano rehefa vita ny asany. Asa na mbola ireo olon-dratsy ireo ihany, fa nisiana fanafihana epicerie ihany koa teny Antohomadinika, mbola io talata alina io hatrany. Rehefa tsy nanaiky ny hanomezana ny vola ilay mpivarotra, izay mbola nivoha tamin’io ora io, dia novelesen’ireo jiolahy tamin’ny vodi-basy teo amin’ny lohany ka naratra mafy. Nitsoaka tsy taitra toy ny fanaon’izy ireo ihany ireo olon-dratsy vao avy nahavita ny asa ratsiny. Ny tsy fantatr’ireo nanafika, izay tsy nitondra saron-tava anefa, dia voamarik’ireo notafihana ny endriny. Nihaodihaody teny an-toerana ny roa lahy tamin’izy ireo omaly maraina ka velona ny fisamborana nataon’ireo fokonolona ary noraisim-potsiny izy ireo. Tahotry ny fitsaram-bahoaka dia nibaboka sy nanondro ny namany izy roa lahy ireto, izay araka ny filazan’ireo mponina teny an-toerana dia monina any amin’iny faritra Itaosy sy manodidina iny. Rehefa nidinana tany an-toerana dia sarona tany ireo namany ireo, araka ny fanazavana azo. Mbola misy anefa ny naman’ireo jiolahy mpanafika ireto, izay mbola karohina. Fanontaniana goavam-be ilam-baliny hatramin’izao ny hoe aiza ihany no iavian’ny basy? Tsy mbola voavaly hatrany ny fanontaniana na dia efa nisy aza ny fampahanfantara vokatra mahakasika ny nahatratrarana basy tetsy sy teroa. Tsy mbola valin-teny maharesy lahatra ny olom-pirenena ihany koa ny hoe basy kilalao no ampiasain’ny jiolahy.

D.R / m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser