Handeha hiasa vao maraina ary hamonjy ny toerana fibatàny entana no nisy nanindrona antsy teny an-dàlana ilay lehilahy. Efa-dahy no indray nibata azy ary nentina tao anelakelan-trano tsy mifanalavitra amin’ny tranom-pokonolona Isotry ny tenany. Teo dia nosavaina ny kitapony izay heverina fa tena nanintona ny sain’ireo olon-dratsy. Tsy nisy afa-tsy akanjo mafana ny tao ary kasikety iray. Nosavaina indray ny paosiny, tsy nisy na vola kely monja aza. Telefaonina faran’izay tsotra, « foza » no fiantson’ny maro azy, no hitan’ireo jiolahy. Tezitra mafy ireto farany vokatr’izany satria nahatsiaro tena ho niasa maina. Nentin-katezerana ka dia notsatohany tamin’ny antsy lava ny tanan’ilay lehilahy ary trobaka tanteraka. Nijininika ny rà. Ny olona izay mba nahita azy ho nijaly teo an-toerana no nitondra azy faran’izay maika teny amin’ny Hjra. Avotra ihany ny ainy saingy tena very rà betsaka ary tsy maintsy naiditra hopitaly. Marina fa olon-dratsy ireo efa-dahy fa ilay toe-tsaina mifofo ny ain’olona rehefa tsy misy azo nomena dia hita fa tena mirefarefa amin’ny tany. Na izany aza, azo heverina koa fa mety misy hafatra ampitain’izy ireo ao anatin’ny fanaovana herisetra tsy misy tanjona toy izao. Asa, mety hampihorohoroana ny saina angamba fa rehefa izy ireo no mangataka dia tsy maintsy omena…
D.R