Tovolahy iray no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny boriborintany faha-4 teo amin’ny faritra Isotry iny ny alakamisy faha-30 aogositra 2018 teo noho ny resaka harom-paosy. Lehilahy iray no niharan’ity asa ratsy ity teo amin’ny manodidina ny BMH Isotry tamin’io alakamisy io tokony ho 12 ora sy sasany antoandro teo ho eo. Nanararaotra ny fahamaroan’ny olona moa ity olon-dratsy ka mody nisisika tao anaty vahoaka tao mba hanao ny asa ratsiny. Tamin’izay indrindra no nanarahany ity lehilahy iray avy ao aoriana. Mody nodoniny ilay io rehefa tonga teo akaikiny ka sady noharoniny ny paosiny. Tsikaritr’ity farany anefa izany fihetsika izany ka dia nojereny avy hatrany ny paosiny ka indro efa tsy tao intsony ny volany. Nanenjika ilay tovolahy izay mbola tsy lasa lavitra azy teo izy ka rehefa tratrany dia nosavainy ka indro mbola teny aminy ilay vola very. Taorian’izany dia nentiny teo amin’ireo polisy niasa teo amin’ny manodidina teo ilay jiolahy mba hanaovana famotorana sy fanadihadiana. Nandritra izany no nahafantarana fa efa intelo nifonja teny Antanimora ity tovolahy ity noho ny resaka harom-paosy hatrany. Nidoboka am-ponja vonjimaika moa ity lehilahy ity rehefa natolotra ny Fitsarana omaly.
T.M.