- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : Fiara voaroba, lasa daholo ny vola, ny finday sy ny...

Isotry : Fiara voaroba, lasa daholo ny vola, ny finday sy ny firavaka

Mirongatra ny  fanakanana sy fanendahana fiara tato ho ato. Ny alarobia teo, tokony tamin’ny 6 ora hariva, fiara iray no nisy nanakana teo amin’ny fiolahan’Isotry hihazo an’i Vasakaosy iny. Voalaza fa handeha hiala ny fitohanan’ny fifamoivoizana tany 67ha no nahatonga ity fiara ity nihazo iny làlana iny, nefa izao voatafika izao. Enin-dahy no niara-nanakana an’ilay fiara manoloana ny mpivaro-kazo, ka ny roa tamin’izy ireo no tazana nitondra basy “pistolet”. Rehefa nanatona ny fiara ny iray tamin’ireo mpanendaka, dia niezaka ny nanidy haingana ny varavarana tandrify azy ilay mpamily, saingy voasokatr’ilay olon-dratsy izany. Avy eo ity farany niteny tamin’ny feo mora ity farany, fa mila ny vola sy ny finday rehetra izay any amin’ilay mpamily. Nanatona ihany koa ny jiolahy faharoa ka nanendry ny basy teny amin’ny lohan’ilay mpamily mba hanatanterahany ny baikon’izy ireo. Tsy afa-nanoatra noho izany ilay mpamily ka dia nanome ny finday teny an-tànany. Tsy afa-po anefa ireo mpangalatra. Nanatona avokoa izy rehetra ka nisava ny paosin’ilay mpamily ihany. Lasan’izy ireo tamin’izany ny finday faharoa sy ny paoketra misy ny vola rehetra, ny “carte bancaire”, ny kara-panondro, ny “permis” ary ny “carte carburant”. Rehefa nitaky ny mba hamerenana ny kara-panondrony sy ny “permis”-ny ilay mpamily, dia vono sy daroka no nasetrin’ireo olon-dratsy azy. Tamin’izany indrindra no nahitan’izy ireo ny firavaka volamena teny amin’ilay mpamily ka nanendahan’izy ireo izany. Mbola saika nendahin’izy ireo ihany koa ny “auto-radio” saingy tsy vitan’izy ireo satria mafy ny fipetahan’izany tamin’ilay fiara. Izany rehetra izany dia marihina fa nitranga nandritra ny fotoana fohy dia fohy. Ny hany herin’ilay mpamily voaendaka, dia ny nandeha nirifatra nody haingana sao dia ny aina indray no manefa.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici