Lehilahy iray 38 taona, anisan’ireo jiolahy nanafika mpivarotra teny amin’iny faritra Isotry iny, no voasambotry ny fokonolona rehefa avy nanao ny asa ratsiny, ny talata hariva lasa teo. Efa saika nianjera tamin’ity farany ny hatezeram-bahoaka raha tsy tonga teo ny pôlisy tamin’io fotoana io. Raha ny zava-nitranga tokoa tamin’io fotoana io, dia mpivarotra iray no lasibatry andian-jiolahy mitam-piadiana, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany teo ho eo. Noho ny habetsak’ireo olon-dratsy sy ny fandrahonana tamin’ny basy nataon’izy ireo dia tsy afa-nikofoka ny tamin’ilay tsena voatafika fa dia nanome izay zavatra notakian’ireo jiolahy. Vola, izay mbola tsy fantatra ny lasa tamin’izany, niaraka tamina fitaovana lafo vidy tao an-toerana. Rehefa nandeha nitsoaka ireto farany, izay vao nahantso vonjy ilay mpivarotra ary nampandre ny pôlisy. Tetsy andanin’izay ihany koa moa, tsy nitazam-potsiny ireo fokonolona nahita an-dry zalahy ireto nitsoaka fa nanenjika avy hatrany. Tsy lasa lavitra ny iray tamin’ireo mpanafika dia voasambotr’ireo mpanenjika. Ireo namany kosa tafaporitsaka. Tsy nanam-potoana nampiasàna ny basy teny an-tanana akory fa avy hatrany dia voafehy tanteraka ary efa saika niharan’ny famonoana isan-karazany teo. Tamin’io fotoana io no tonga ny pôlisy nitondra ity farany tany amin’ny birao mba hatao famotorana. Ankoatra ny basy izay hita tany aminy dia mbola nahitàna bala maromaro ihany koa tany amin’iny jiolahy. Raha ny tatitra azo tamin’ireto mpitandro filaminana dia efa raindahiny tanteraka amin’ny asan-jiolahy ity lehilahy tratra ity. Vao avy nivoaka ny fonjaben’i Tsiafahy mihitsy mantsy ranamana, ny volana janoary teo, saingy tsy fay fa dia izao niaraka tamin’ny namany nanao ny fanaony izao.
m.L