Ela nitoratorahana ! Mpanendaka rain-dahiny, izay malaza ratsy amin’ny fitondràna harona « sachet » mainty no tra-tehaky ny pôlisy vavy avy ao amin’ny BFP, omaly tetsy Isotry. Teratany vahiny no lasibatra teto ary finday lafo vidy no lasan’ity tsy valahara. Tsy nisy niafina tamin’ireo pôlisy vavy niasa tsy lavitra teo akory ny fihetsika nampiahiahy nasehoan’ity lehilahy iray, nitondra harona « sachet » mainty, nanatona tsimoramora ireo teratany vahiny, mbola teo am-piadiana varotra tamin’ny fiarakaretsaka iray, tetsy Ambodifiakarana Isotry, omaly tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro tany ho any. Raha ny fantatra dia efa malaza ratsy tanteraka ity ranamana ity, izay ireo sasantsany amin’ireo mpangarom-paosy amin’izay fihetsiny. Nambara mantsy fa iny harona vimbininy iny no entin’izy ireo manafina ny tanany efa misaka izay azo sakaina rehetra any amin’izay olona lasibatra any. Tamin’ity indray mitoraka ity dia vazaha no saika nitondra faisana sy very fananana. Tsy henon’izy ireo akory, raha ny angom-baovao, ny nangalan’ity mpanendaka ny finday lafo vidy iray tany am-paosin’ny iray tamin’ireto teratany vahiny ireto. Efa vita fifampiraharahana tamin’ilay fiarakaretsaka, ka handeha hisava an’ilay findainy vao nahatsikaritra ity lasibatra fa tsy tao intsony izany. Nanatona avy hatrany ireo pôlisy vavy niasa tsy lavitra teo izy ireo nony avy eo. « Nahita izany ilay jiolahy dia nandositra avy hatrany ary nifanenjehana ka tratra tsy lavitra teo ihany », hoy ny vaovao azo. Mazàna moa fa tsy mandeha irery ry zalahy ireny fa tsy maintsy misy namany, manafina hatrany ny asa ratsy ataony tao. Efa tsikaritr’ireto mpitandro filaminana avokoa izany, saingy tamin’ny fotoana nisamborana ilay zalahy nitondra « sachet » no nahatafaporitsaka ilay namany iray. Nentina nihazo avy hatrany ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra tetsy Isotry moa ity mpanendaka raindahiny ity. Marihana fa tena tratra tany aminy ilay finday nangalariny, mba hanaovana fanadihadiana. Mbola mandeha kosa ny fikarohana ilay namany tafatsoaka.
m.L