Vao avy nalaina teny amin’ny banky no nataon’ny jiolahy lasibatra ny volabe tao anaty sakaosy. Tao anaty fiara mainty marika Golf, ny alakamisy teo, no nisy efa-dahy nandroba ilay vola. Ramatoa no nitondra ilay fiara ary tao anaty fitohanana no nanararaotan’ireo olon-dratsy nanatontosa an’izany. Ny roa niambina avy ato aorian’ilay fiara ary nanakana ireo namany roa hafa izay namaha an-keriny ilay varavarana. Vetivety foana dia voavahan’izy ireo ilay fiara ary nalaina ny sakaosy tao anatiny. Gina tanteraka ilay ramatoa satria mba efa mailo ihany izy ary efa nanidy tsara ny fiara. Raha ny fahafantarana azy hatreto dia nampiasa fanalahidy efa famohana io karazana fiara io ireto olon-dratsy ireto ary izany no nahafahany namaha mora foana ny fiara. Vokatr’izany ihany koa dia tsy niahiahy na inona na inona ny olona, satria tsy nampiasa hery ireo olon-dratsy namaha ny fiara. Toy ny olona nentina ihany. Midika izany fa miketrika andro aman’alina ihany koa ny olon-dratsy amin’ny fitadiavana ny paika entiny manatontosa ny asany.
D.R