Saika tomefy olona avokoa ireo toerana maro misy tsena eto an-dRenivohitra amin’izao an-katoky ny fety izao. Ary amin’ireny indrindra no hanararaotan’ireo mpanao ratsy. Raha teny amin’iny faritr’ Isotry sy ny manodidina iny, dia efa tsy mihambahamba tokoa ireo mpanendaka mamono ireo olona lasibatra ka miana-kendry manohitra azy ireo. Manao andiany maro ireto tontakely ireto ary tsy misaraka amin’ny antsy sy ny sabatra.
Manoloana izay fitarainan’ny olona maro izay, indrindra fa ireo mpiantsena dia nisy avy hatrany ny fandraisana andraikitra nataon’ny pôlisy teny an-toerana. Fantatra ary fa tovolahy efatra no voasambotr’izy ireo, ny sabotsy lasa teo, andro tsena teny an-toerana. Araka ny tatitra azo, dia olona telo no voaendaka teny Ambodifiakarana, tamin’io andro io tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any. Efa-dahy ireo olon-dratsy tamin’io. « Tonga dia manambana antsy izy ireo ary mandratra sy mamono raha toa ka mamaly azy ireo maka ny zavatra » hoy ny vaovao. Vola, finday ary zavatra sarobidy isan-karazany no lasa tamin’izay fotoana izay. Rehefa nisy nampandre nahakasika ity zava-nisy ity ireo pôlisy misahana iny faritra iny, dia nanatanteraka nanao ny fikarohana. Nandritra ny fisafoana no nifanena tamina telolahy nampiahiahy izy ireo ka nosavaina avy hatrany. Mbola tratra tany amin’ireo farany ny zavatra avy nendahiny sy ny fitaovam-piadiana nentin’izy ireo. Nanondro ny namany avy hatrany izy ireo ka tsy ela ihany koa dia voasambotra ilehio. Marihana, fa ny iray tamin-dry zalahy voasambotra ireto dia efa mpanendaka rain-dahiny ary efa nigadra noho izay asa ratsiny izay, saingy efa nivoaka ny volana jona lasa teo. Araka ny fanazavana azo hatrany mazàna dia ireo olona mivimbina sakaosy na mitondra pôketra no ataon’ireto olon-dratsy ireto lasibatra eny an-toerana. Mila mailo dia mailo tokoa ireo mpiantsena araka izany ary tsy tokony hisalasala hampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana, raha misy zavatra mitranga mampiahiahy.
m.L