Tsy fantatra mazava aloha, inona loatra no dia nataon’ity rangahy iray manodidina ny 40 taona teo ho eo, teny Isotry teny ny sabotsy lasa teo. Nofatorana tongotra aman-tanana ny lehilahy ary nentin’ny mpitandro filaminana avy eo. Tokony ho tamin’ny 5ora sy sasany hariva teo no nisehoan’izany teny an-toerana, ka nahavory lanona ireo olona teny an-toerana. Nasaina niparitaka avokoa ireo olona tonga nijery ity tranga ity teny an-toerana. Voalazan’ireo nanatri-maso, nanakaiky ity lehilahy ity fa nahenoana fofona hafahafa ny tapany ambany. Nambaran’izy ireo mihitsy aza fa toa hoe fofona faty izany na fofona biby efa maty. Nitangoroan’ny lalitra mihitsy aza, raha ny filazan’ireo olona teny an-toerana hatrany. Raha ny fitantaran’ireo olona ireo hatrany dia ankevitry ny nentina nozahana tao amin’ny sampan-draharaham-pahasalamana iray teny an-toerana ity olona hafahafa ity. Efa nandeha sahady ny feo teny an-toerana fa « lolo vokatra » ity lehilahy ity, na karazan’irony olona « mifoha maty » avy any Atsimo irony. Misy ihany anefa ireo milaza fa mpanendaka teny an-toerana ity tratra ity. Kanefa, inona no antony ilay famatorana azy, tongotra aman-tanana ? Etsy an-kilan’izay ihany koa, ny olona sasany manely ny hoe, olona avy nangalatra taolam-paty izy io ka izany no anton’ilay fofona hafahafa tamin’ny tongony. Azo eritreritina ihany koa anefa ny hoe « dahalo » niakatra taty an-drenivohitra. Tsy fantatra intsony. Tsy afaka nanome fanazavana ihany koa etsy andanin’izay ireo polisy nisambotra ity rangahy ity sy ny tompon’andraikitra voalohany, izay nilaza fa tsy niasa, misahana iny boriborintany iny raha niezaka nanontany ny momba an’ity tranga iray hafahafa ity izahay.
m.L