- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : Maty notsindroniny antsy ny vadiny

Isotry : Maty notsindroniny antsy ny vadiny

Adin’ny mpivady no niafara tamin’ny tsindrona antsy ary dia nitarika ny fahafatesan’ilay lehilahy. Ramatoa iray antsoina hoe Prisca, 24 taona no nosamborin’ny polisy misahana ny heloka bevava sakelika fahefatra etsy Anosy, ny 16 jona 2014 teny Anatihazo Isotry. Adina mpivady tsotra no niantombohan’ity zavatra ity. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa efa nisaraka ireto olona ireto. Ilay vehivavy no mitaiza ny ankizy. Alahady, 15 jona 2014, rehefa handeha hijery ny zanany any amin’ny reniny ilay rangahy tokony tamin’ny 01 ora tolakandro dia efa nandrasan’ilay ramatoa tamin’ny hazo, hoy hatrany ny vaovao. Rehefa tonga tany ilay rangahy dia raikitra ny ady, ka dia naharay antsy ilay rangahy ary dia notsondroniny ilay ramatoa. Teo amin’ny tanany no voa. Taorian’izany, voarain’ilay ramatoa ilay antsy, ka dia notsindroniny tamin’izany ihany koa ilay rangahy ka voa teo amin’ny tratrany sy ny hatony. Nandriaka ny rà ka dia nentina teny amin’ny hopitaly izy mivady, saingy tsy tana intsony ny ain’ilay rangahy. Tamin’ny fanadihadiana an’i Prisca dia niaiky izy fa nanindrona antsy ny vadiny. Marihana fa vao teraka amam-bolana ity renim-pianakaviana ity.
Omaly no natolotra ny fampanoavana ilay vehivavy.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser