- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : Mpaka « pension », iharan’ny fanendahana

Isotry : Mpaka « pension », iharan’ny fanendahana

Saika mitaraina avokoa ireo beantitra mpaka « pension » amin’ny afitsok’ireo mpanendaka eny amin’iny faritra Isotry sy ny manodidina iny. Raha ny filazan’i Bebe Faustine, isan’ireo mpisotro ronono mandray izany eny an-toerana, dia efa andrasan’ireto olon-dratsy ireto fotsiny izay fivoahan’ilay olona avy amin’ny birao ary ampiharany ny asa ratsiny amin’izay avy eo. « Ny tena efa osa, tsy afaka ny hanenjika sy hanohitra akory », hoy hatrany ity beantitra ity. Ireto mpandray « pension » ireto, raha ny fantatra hatrany, dia mazàna mandeha irery. Etsy andanin’izay ihany koa anefa, izy ireo efa reraky ny filaharana lavareny, izay, raha ny fantatra hatrany dia tonga lavitra mihitsy. Mba hamonjena ny laharana alohaloha dia misy amin’izy ireo no mamonjy eo vao mangiran-dratsy, ny sasany kosa mahavita miaritra sy matory eny an-toerana mihitsy, hiandrasana ny fivoahan’ny birao ny ampitso. Nefa dia mbola izao misy maka izao indray ilay vola kely avy eo. Miraviravy Tanana, araka izany, ireto beantitra mpisotro ronono ireo ary manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra isanisany, mba hijerena akaiky ny momba azy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser