Efa-dahy izay nitondra basy vita gasy iray no tonga nanafika tao amin’ny tokantrano iray tao Anatihazo-Isotry. Raha araka ny fantatra, dia olona niakatra teto an-drenivohitra mba haka rivotra ilay nataon’ny jiolahy lasibatra omaly tokony ho tamin’ny iray ora maraina. Nofatoran’ireo jiolahy ny mpiambina ary nasaina nihohoka tamin’ny tany ilay notafihana. Nokarohan’ireo olon-dratsy eran’ ny trano amin’izay nony avy eo ny misy ny vola ary fantatra fa mitentina sivy tapitrisa ariary mahery no lasa tao. Mpanangom-bary avy any Marovoay ilay rangahy niharan’ny fanafihan-jiolahy. Ilay toerana nipetrahany kosa dia sady toeram-pivarotana piesy sy vary ao Isotry. Efa nisy fiara taxi Renault 9 niandry ireo olon-dratsy tany ivelany ary nizotra nandeha tany 67ha nandritra ny fitsoahany. Raha araka ny fantatra dia tsy nisy “lanterne” io fiarakaretsaka io, fa ny lokony ihany no nahafantarana azy ho taxi.
D.R