Nahazo vaovao ny mpitandro filaminana fa miverina indray ny asa fanendahana sy sinto-mahery arahana tsindrona antsy amin’ny faritra maromaro eny Ambodin’Isotry, Andranomanalina, Tetezan’i Bekiraro, Tetezan-dRamala. Manao andiany telo na efatra ireo jiolahy ireo. Ny sabotsy tokony ho tamin’ny 12 ora sy 40 minitra teo ho eo no nahazoan’ny polisy ity filazana ity. Tsy niandriandry ny polisy avy ao amin’ny boribirintany fahefatra fa nandeha nijery akaiky izany toe-javatra izany. Natao ny vela-pandrika, ka nahasamborana olona telo niaraka tamin’ny antsy lavalela. Efatra izy ireo no niaraka ka tafaporotsaka ny iray. Mbola samy erotrerony avokoa ireto voasambotra ireto. 29 taona ny zokiny indrindra ary 24 taona ny roa lahy.
Manao antso avo ny Polisim-pirenena amin’ireo manam-baovao mahakasika an’ireo jiolahy, izay mitranga any anivon’ny fiaraha-monina any, sy hampahafantatra avy hatrany raha toa ka misy ny tranga mampiahiahy eo anivon’ny fokontany na eny rehetra eny, fa hotazonina ho tsiambaratelo ny loharanom-baovao azo.
Tamin’ny sabotsy teo no niatrika ny Fampanoavana izy telo ireo ary tazonina vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora.
Nangonin’I r.s.