Efa tsy zoviana amin’ny pôlisy intsony ny endrik’ireto tontakely ireto. Efa tratra nanendaka ny voalohan-dohan’ny volana teo ny iray tamin’izy ireo. Natolotra ny Fampanoavana saingy nahazo fahafahana vonjimaika. Telo herinandro taty aoriana, tratra nangarom-paosy indray. Mametraka paik’ady isan-karazany ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena, indrindra fa ny eto an-drenivohitra amin’ny alalan’ireo kaomisarian’ny boriborintany valo misy eto. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ireo pôlisy tsy manao fanamiana, izay misafo tsy tapaka ireo toerana be olona sy faritra efa malaza ratsy amin’ny resaka fanendahana. Tao anatin’izany indrindra, teny amin’iny faritra Isotry iny, izay sahanin’ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra. Tamin’izany indrindra no nahatratraran’izy ireo indray lehilahy miisa roa, ny sabotsy lasa teo, izay tra-tehaka mihitsy teo am-pangaronana paosin’ireo mpiantsena, teny an-toerana. « Fahatratrarana indray », satria raha ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia efa tsy zoviana amin’izy ireo intsony ny endriky ny iray tamin’ireto tontakely ireto. Voalaza mantsy fa tra-tehaka teo am-panendahana olona ity farany ny 09 oktobra lasa teo. Saingy rehefa natolotra teny anatrehan’ny Fampanoavana dia nomen’ireo mpitsara mpanao famotorana fahafahana vonjimaika, mandram-piandry ny fotoam-pitsaràna azy, ary dia izao tratra am-bodiomby teo am-panaovana asa ratsy izao indray. Torak’izany ihany koa, omaly, teo ambonin’ny tetezan-dRamala indray, tovolahy iray, izay efa nigadra, saingy vao avy nivoaka ny fonja vao tsy ela akory izay no voasambotra « indray » ihany koa, teo am-panendahana olona, tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro tany ho any. Marihana fa mbola pôlisy tsy nanao fanamiana ihany no nahatratra ity farany. Maro amin’ireo tontakely, izay manohy hatrany ny asa ratsiny tokoa moa no toa izany, raha ireo efa voasambotry ny pôlisy. Voasambotra anio. Nadoboka am-ponja. Tafavoaka volana vitsy, dia miverina indray manohy ny asa ratsiny. Raha ny marina dia tokony hisy paik’ady matotra ihany koa eo anivon’ireo toeram-panarenana na ny fonja eto amintsika, mba tena hiverenan’ireo olona voafonja ho olon’ny fiaraha-monina indray sy tsy hanao intsony hanony asa ratsiny aty aoriana. Raha mbola tranga toa izao hatrany mantsy no tsapan’ny rehetra fa paik’ady mandeha ila ihany ny an’ireo mpitandro filaminana, entina hiadiana amin’ity tsy fandriampahalemana ity.
m.L