- Publicité -
jeudi, octobre 16, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : Mpanendaka natsipin'ny olona tao anaty fotaka

Isotry : Mpanendaka natsipin’ny olona tao anaty fotaka

Tsy mety fay ny mpanendaka sy ny mpangarom-paosy etsy Isotry. Efa betsaka ihany izay voasambotra izay, nisy mihitsy aza ny lavo. Mbola maro koa anefa ny mitohy manao ny asaratsiny ary ny tsikaritra dia miha-tanora ihany izy ireo. Asa, nolovaina ve ity asaratsy manendaka sy mangarom-paosy ity ho azy ireo. Tamin’ity tranga iray ity dia sendra ny patsa iray tsy omby vava ireo olon-dratsy. Nifanandrify tamin’ny fandalovan’ny mpitandro ny filaminana nanao fisafoana teny an-toerana. Vao avy nanao sinto-mahery ireo ary teo am-pitsoahana no tapi-dalan-kaleha tampoka satria nifanena tamin’ireo olon’ny lalàna. Ny olona teo amin’ny manodidina koa dia nanampy tamin’ny fibahanana ny lalan’ireo olon-dratsy mba tsy ho afaka hitsoaka intsony. Dia noraisim-potsiny teo ny niafarany. Sosotra ny olona ka nalefa tao anaty fotaka mandrevo vokatry ny haratsian-dàlana. Niezaka ny niarina ihany ireo fa isak’izay mandeha dia nisolifatra ka niverina tao anaty rano maloto hatrany. Efa tena reraka vao naterina teny amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici