- Publicité -
lundi, septembre 15, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : Mpanendaka roa lahy voasambotry  ny pôlisy

Isotry : Mpanendaka roa lahy voasambotry  ny pôlisy

Tratra teo am-pitiliana ny hazany manaraka indray ry zalahy ireto ! Ny andron’ny sabotsy teo, mpanao sinto-mahery roa lahy no voasambotry ny pôlisy tetsy amin’ny Bazar-ma Isotry. Tsy afa-nandà ny fandikan-dalàna vitany intsony izy ireo noho ireo entana halatra hita teny amin’izy ireo.

Raha ny voalaza, vehivavy iray handeha hiantsena teny an-toerana no niharan’ny fanendahana teo amin’io toerana voalaza etsy ambony io, tamin’io andron’ny sabotsy io ihany, tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro tany ho any. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izay ny pôketrany. Teo no eo ihany ity vehivavy ity dia nametraka fitarainana teny anivon’ny pôlisy. Teo no ho eo ihany koa dia nandray andraikitra avy hatrany ireto mpitandro filaminana, ka nidina teny an-toerana, nanao fanamiana sivily. Mbola indreo eo tokoa, izy roa lahy, miandry izay ho lasibatra hafa indray. Natonina avy hatrany ary nosavaina. Ny pôketra halatra miisa roa tany amin’izy ireo. Asa raha hoe, nandritry ny fotoana nandehan’ilay ramatoa voalohany tany amin’ny pôlisy dia efa nahavita « opération » iray indray izy roalahy ireto ? Nosamborina teo no eo ihany moa ireto mpanendaka ireto ary nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy sy notanana natao famotorana avy hatrany. Anio, raha tsy misy ny fiovàna no hatolotra ny Fampanovavana ireto tontakely ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici