Ny alahady lasa teo no tra-tehaky ny polisy ny mpanendaka gaigilahy roa antsoina hoe Ramika sy Mainty rehefa avy nifanenjehana. Ny iray aza tsy nahita lalana nandosirana intsony dia nitsoraka tany anaty tatatra Andriantany. Tsy afaka niala fa noraisim-potsiny. Araka ny vaovao nampitain’ny mpitandro filaminana dia efa ela izy ireo no notadiavina. Izao anefa vao tratra. Nanendaka ramatoa iray teny Ambodin’Isotry ry zalahy izao voasambotra izao. Hita tany amin’izy ireo ny fitaovam-piadiana toy ny sabatra lava lela fitondrany rehefa manao ny asa fanendahana izy. Mbola tany amin’izy ireo ny vola 10 000 arairy sy finday nalainy tany amin’ilay vehivavy. Efa tena mampikaikaika ny mponina eny amin’ny manodidina izy ireo sy ny namany enina hafa izay karohina amin’izao fotoana izao. Maro ny fitarainana tonga tany amin’ny fokontany mikasika ny asa ratsin’ireto andiana mpanendaka ireto. Nantolotra ny Fampanoavana, omaly izy roalahy ireo.
Fa tsy eny amin’iny faritra iny ihany no mampihorohoro ny mponina ny mpanendaka sy mpamaky trano fa saika manerana ny renivohitra mihitsy amin’izao fotoana izao. Ny toerana somary mangina tsy be mpandeha no anaovany izany. Tsy mifidy izy ireo fa izay sendra azy dia mahita faisana avokoa. Na vola kely aza no hitany dia alainy. Ny vaky trano amin’ny alina, manginy fotsiny. Manao andiany maro ry zalahy ary tsy afaka manao na inona na inona izay olona robaina amin’izany. Toy izay niseho tetsy Ankadifotsy ny faran’ny herinandro lasa teo.
r.s.