« Toy ny mahazatra mba hitandroana ny filaminana dia midiny eny ankianja manao fanamina sivily ny pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra manao fisafoana. Nandritra io fisafoana io indrindra no nahavoasambotra mpanao sinto-mahery teny amin’ny manodidina ny Ambodin’Isotry sy Antohamadinika ». Toerana anisan’ny mafana amin’ny resaka tsy fandriampahalemana raha iny faritr’Isotry sy ny manodidina iny. Isan’andro isan’alina dia mametraka paik’ady hatrany ireo polisy misahana izany faritra izany, ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra, entina hitandroana ny filaminana sy ny hanjonoana ireo tontakely, mpandoto tanana. Ny andron’ny talata teo, araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy, dia jiolahy miisa efatra no voasambotra. Raindahiny amin’ny resaka sinto-mahery sy fanendahana ary fitsindromana rongony mahery vaika izy ireo, raha ny fanazavana azo hatrany. Ny iray tamin’ireo olona tratra ireto ary, raha ny vaovao azo hatrany dia efa mpamerin-keloka sy gadralava. Ny tena mahazendana dia voalaza fa vao tsy ela akory izy no nivoaka ny fonjan’Antanimora, kanefa dia efa izao tratra izao indray. Marihana fa tamin’ny fisavàna natao azy ireo no nahatratrarana « heroine » sy fitaovana fitsindromana io zava-mahadomelina mahery vaika teny amin’ireto farany. Notanana natao andrimaso avy hatrany ho amin’ny famotorana azy moa izy efa-dahy ireto, miandry ny fanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L