Ny asabotsy lasa teo tamin’ny 3 ora, lehilahy iray no tratehaky ny pôlisin’ny boriborintany fahefatra etsy Isotry teo am-pangalarana sakaosina teratany vahiny tao anaty fiarany teny Ambalavao Isotry akaikin’ny Assurance MAMA omaly. Fiara mijanona teo amin’ny sisin-dalana no nararaotin’ilay mpangalatra. Mody kapohiny ny vodin’ilay fiara, ka rehefa mitodika mijery izany ilay tompony avy hatrany dia nosintoniny ilay sakaosy teo anilan’ilay mpamily. Rehefa azony ilay sakaosy dia nitsoaka izy. Tamin’io fotoana io anefa, nisy pôlisy manao fanamiana sivily nanao fisafoana teny an-toerana, ka dia noraisim-potsiny i Pa, izany no anarany. Tamin’ny fanadihadiana dia solosaina fitondra mandehandeha no tao anatin’ilay sakaosy ary efa voarain’ilay tompony. Fomba efa ela fangalaran’ny sasany entana anaty fiara ny mody mandona na manozongozona ireny fiara mijanona ireny. Misy aza no manipy kiraro na kapa ka raha vao variana ny tompon’ny fiara ka segondra vitsy fotsiny dia lasa ny paoketra na entana hafa.
Niaiky ny heloka vitany i Pa ary dia natolotra ny fitsarana tamin’ny 12 jolay teo.
r.s.