Omaly maraina be, nisy andian-jiolahy nikasa hamaky trano fivarotana ambongadiny teny amin’ny faritr’Isotry. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa nisy hatramin’ny fito any izy ireo ary nitondra fiadiana toy ny: sabatra, antsy ary fitaovana famakiana trano. Efa nanomboka nikitika ny hidin’ilay fivarotana izy ireo no hitan’ny mpiambina iray. Tsy lavitra teo ihany koa, nisy olona maromaro nahamarika ny fihetsika hafahafa nataon’ireto bandy ireto. Nanatona ary niteny mora azy ilay rangahy 50 taona. Avy hatrany anefa dia nasian’izy ireo tamin’ny sabatra sy antsy, ka voa teo amin ‘ny lohany ilay mpiambina. Tsy vitan’izany fa nolazain’ireo nahita fa mbola nodarohan-dry zalahy tamin’ny “barre à mine”. Naratra be tokoa ilay lahy antitra ary be dia be ny rà very. Rehefa avy namely an’ilay lehilahy ireto saika hamaky trano, dia lasa nandeha. Izany hoe, tsy mbola nisy zavatra vitany omaly maraina io. Faritra anjakan’ny asan-jiolahy iny toerana be mponina iny. Saika isan’andro no andrenesana olona iharan’ny sinto-mahery sy ny harom-paosy. Andro maromaro lasa izay, nisy andiana mpanendaka tratran’ny polisy. Toa misy andiany hafa indry anefa mipoitra.
r.s.