- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : Mpiloka an-dalambe, 13 nosamborina

Isotry : Mpiloka an-dalambe, 13 nosamborina

Taorian’ny « course vitsika » dia malaza indray amin’izao ny loka amin’ny resaka « ludo ». N’aiza n’aiza, elakelan-trano, « parking », vodin-tamboho, tsena, … ka misy lehilahy maromaro mitangorona dia efa tsy maintsy loka amin’ny resaka « ludo » izay. Ary efa tsy misy henatra sy tahotra intsony fa dia ankalamanjana hitan’ny besinimaro eo. Ny tena mahazendana dia tsy mba loka amin’ny ariary zato na dimanjato fa efa mahatratra aman’arivony, aman’alina ny an’ny sasany. Mandeha eo daholo ny tenin-dratsy, ny ompa, ny fifanasàna vangy ary misy ireo miafara tamin’ny fifampikasihan-tanana sy ny vono mihitsy rehefa misy zavatra tsy hifanarahana.

Tiana hatrany anefa ny manamarika, ary anisan’ny voizin’ireo mpitandro filaminana ihany koa fa voararàn’ny lalàna ny filokàna an-dalambe sy ny fanakotabàna fiaraha-monina. Tamin’ireny resaka « course vitsika », izay nahasamboran’ireo mpitandro filaminana olona maromaro ihany teto an-drenivohitra dia efa nilamindamina ity resaka loka an-dalambe ity. Niha-nitombo tao anatin’ny volana maromaro indray izany tamin’ny fiavian’ny resaka « ludo ». Efa nanomboka ny hetsika hanafaizana ireny mpiloka an-dalambe ireny indray moa teo anivon’ny pôlisim-pirenena tamin’ny alalan’ny hetsika « coup d’arret » teny amin’iny faritra Isotry sy ny manodidina iny. Voalazan’ny fampitam-baovao tao anatin’izay fa nisy 13 ireo voasambotra, vokatr’izay filokàna an-dalambe sy fanakatobàna fiaraha-monina izay. Heverina fa hiparitaka amin’ireo kartié hafa eto an-drenivohitra izay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici