Olona roa, vavy sy lahy, voalaza fa mpisoloky, no tra-tehaky ny polisy teny Ampefiloha tsy lavitra ny lycée rehefa avy nifanejehana hatreny Isotry Ambalavao. Tamin’ny 3 ora teo no niseho izany ny alarobia lasa teo. Mbola misy namany iray karohan’ny mpitandro filaminana hatramin’izao.
Io alarobia io, nisy mpianaka, vavy avokoa, tonga hividy fitaovana fanaovan-trano teny Ambalavao. Niditra tao amina trano fivarotana iray ry zareo nanontany vidin’entana. Nivoaka avy eo satria mbola hampitovy. Ankeviny efa tsikaritr’ireo mpandrebireby izany ka nisy lehilahy iray nanatona azy. Nilaza io farany io fa manana ny entana tadiavin’izy mianaka ary amin’ny vidiny ambany kokoa. Mbola any amin’ny trano fitehirizana anefa izany ka tsy maintsy any no halaina. Afaka fotoana fohy, nisy lehilahy sy vehivavy tonga, tsy fantatra hoe ahoana ary nilaza fa mila ireo entana ireo koa. Natao teo ny resaka ary dia raikitra fa haka ireo entana ilay zanak’ilay ramatoa niaraka tamin’ireo roalahy, ka atambatra ny entana ary entina kamiao avy eo. Ilay vehivavy vao tonga sy ny renin’ilay vehivavy no nijanona teo an-toerana niandry. Raha vao lasa kelikaly ireo haka ny fitaovana dia nampiresahan’ilay vehivavy ilay renim-pianakaviana ary nalainy hotazonina ny poketra misy ny vola. Tsy nety nanome izany anefa ilay ramatoa lehibe. Afaka fotoana elaela, niverina ny lehilahy iray fa ny faharoa voalaza fa nandrebireby ilay vehivavy tany Ampantsakana. Raha vao tsy nahita ny zanany niverina ilay ramatoa dia nihoraka. Tonga dia lasa nandositra ireo mpisoloky teo anatrehan’izany. Raikitra ny fanejehana azy ireo. Nihazo ny lalana mandeha eny amin’ny lycée Ampefiloha. Nisy polisy nanondro lalana nanampy ireo avy tao amin’ny biraon’ny polisy Ampefiloha. Rehefa voasambotra ireo olona roa ka nofotorana dia nilaza fa fivelomany ny fisolokiana sahala amin’izao. Ankoatra izany manana ody gasy fandrebirebena rehefa misoloky ireto olona ireto.
Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireo olona roa voasambotra.
Nagonin’I r.s.