- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : Naparitak’ireo jiolahy ny volabe, nanafenany ny fandosirany

Isotry : Naparitak’ireo jiolahy ny volabe, nanafenany ny fandosirany

Nisavoritaka ny olona teny Isotry, niparitaka ny vola ! Nisehoana fanafihan-jiolahy mahery vaika teny amin’ny faritra Isotry, Ambodifiakarana, omaly tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany tany ho any. Tranombarotra iray, mpivarotra « sachet » am-bongadiny no notafihan’ny roalahy, mitam-basy sy sabatra. Raha ny fanazavana azo dia nanao amboletra niditra tao amin’ity magazay ity ireo roalahy, izay tsy nisaron-tava. Nanambana basy sy ny zava-maranitra teny aminy tamin’ireo olona tao anaty magazay. Inoana fa mety ho efa tetika maty paika ny an’ireto jiolahy, ary mety ho efa misy vaovao azon-dry zareo ireo mikasika ny fisian’ny volabe tao amin’ilay tranombarotra. Ny vola avy hatrany mantsy no notakian’izy ireo. Natahotra ihany koa ireo tompon-trano ka avy hatrany dia nanome azy ireo izay nangatahiny. Mitentina eo amin’ny 20 tapitrisa ariary teo no lasan’ireo jiolahy tamin’izany asa ratsiny izany. Vao azon’ireo olon-dratsy ny zavatra notakiany dia nanao tari-dositra avy hatrany izy ireo. Tsy nisy ny fipoahana basy. Raha ny mikasika ity fitaovam-piadiana nentin’ity izy ireo ity dia nandeha ny feo fa hoe basy kilalao monja ihany ilay izy. Vao nitsoaka mantsy izy ireo dia nisy ihany ny olona nanenjika, mialoha ny natongavan’ireo mpitandro filaminana. Ho fanafenana ny fitsoahan’izy ireo dia naparitany tamin’ny tany ny sasantsany tamin’ireo volabe. Nifanjevo ny olona, samy nifandrombaka ireto mana, nilatsaka avy amin’ireo … jiolahy. Voasakantsakana tamin’izany ny fanenjehana ireto olon-dratsy ka tafaporitsaka tao anaty olona izy ireo. Efa nadio rahateo ny rano nitan’izy ireo tamin’ny mpitandro filaminana tonga teny, izay tsy afaka nanao na inona na inona intsony. Na izany aza anefa, efa eny am-pelatanan’ireto farany ny raharaha ary efa manomboka ny fikarohana ireo olon-dratsy, raha ny fanazavana azo hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser