- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIsotry : Nirehitra ny « Tsenan’i Tsiafahy », fivarotana 31 levon’ny afo

Isotry : Nirehitra ny « Tsenan’i Tsiafahy », fivarotana 31 levon’ny afo

Na dia tsy voarain’ny afo aza ny faritra sasany, tsy maintsy noravana izany mba tsy hampitatra ny fahamaizana
Na dia tsy voarain’ny afo aza ny faritra sasany, tsy maintsy noravana izany mba tsy hampitatra ny fahamaizana

Ny resaka re teny an-toerana dia samy nilaza fa misy mpiambina karamaina. Tamin’ny fotoana nirehetan’ny tsena anefa, tsy nisy hita izy ireo

Ny alin’ny alarobia tokony ho tany amin’ny 9 ora, nirehitra ny trano fivarotana maro teny Isotry ao amin’ilay lazain’ny olona hoe « Tsenan’i Tsiafahy ». Nahatratra hatrany amin’ny 31 no tena tsy nisy noraisina. Fa ankoatra izany, nisy ampahany hafa koa voarain’ny afo. Rehefa nojerena omaly maraina dia mahatratra am-polony maro izany. Nisy ny tsy maintsy noravana haingana mba tsy hitaran’ny fahamaizana. Nisy ampahany tratra ihany ny fivatoana hazo. Voalaza fa mahatratra hatrany amin’ny iray miliara ny teti-bidin’ny zavatra may tamin’io alina io. Raha vao niandoha ny firehetana dia efa nisahotaka ny rehetra tamin’izany. Trano vita amin’ny hazo ny ankamaroany. Vetivety dia nihanaka ny afo. Maro ireo mponina manodidina no nihevitra fa ny fivarotan-kazo io may io. Rehefa nojerena anefa, hay ilay tsena tao ambadika. Niezaka nifanampy namono ny afo ny rehetra. Tetsy andaniny, nisy ny niantso ny mpamonjy voina avy ao Tsaralalana. Somary nanano sarotra ny famonoana ny afo. Hatramin’izoa aloha, tsy fantatra marina ny niandohan’ny fahamaizana. Samy nanana ny filazan’ny ny teny an-toerana. Efa mandeha ny fanadihadiana ahafantarana marina ny “rangory fototry ny afo”.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser