Nampiasa basy ireo olon-dratsy. Nisy dimy izy ireo raha araka ny fanazavan’ny olona; izay mbola betsaka mpivezivezy tamin’io fotoana io. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva ary mbola nisokatra ilay birao fanakalozam-bola avy amin’ny finday tetsy Manarintsoa-Isotry no tonga ireo jiolahy. Nanapoaka basy izy ireo mba hanaparitahana ny olona. Vokatry ny fifanosehana noho ny tahotra, dia nisy efatra izay naratra tamin’ireo mpandeha an-tongotra. Nandritr’izany dia efa tafiditra tao anatin’ilay toerana ny mpanafika ary naka izay vola rehetra maty tao. Tsy mbola voafaritra mazava ny tetin’izany. Tsy nisy nisaron-tava izy ireo raha araka ny fanampim-baovao izay voaray. Nitsoaka nandeha an-tongotra ary mbola nanapoaka basy hatrany mba hampitahorana izay rehetra mety hanara-dia. Tao anatin’ny fotoana fohy monja, dia efa vita izany fanafihana izany ary toa efa voaoman’ny tompon’antoka. Vehivavy no niasa tao amin’ilay « cashpoint » ary mainka koa izany nanamora ny asaratsin’ireo mpandroba. Mitohy hatrany ny adin-tsain’ireo mpikirakira ireny toeram-panakalozam-bola ireny; izay ny tsikaritra dia tetezin’ny jiolahy tanteraka. Efa nisy hatramin’ny namoy aina mihitsy aza rehefa notifirin’ny olon-dratsy. Na eo am-panokafana ny tsena izy ireo no voatafika na koa eo am-panidiana izany. Na izany maraina manodidina ny amin’ny valo ora na koa eo amin’ny manodidina ny amin’ny fito ora hariva. Vao haingana no nanangana fikambanana ireo mpandraharaha noho ny antony efa voalaza, dia ny tsy fandriampahalemana izay mihatra amin’izy ireo izay mahatsapa fa miady aman’aina isan’andro noho ny fanatontosana ny asany. Mangataka ny hiarovana ny toerana izay misy ny « cashpoint » izy ireo, raha atao bango tokana ny hetahetany. Matetika dia eny amin’ny toerana be olona no misy ireo birao ireny ary marina fa tsy ho ampy raha hametrahana mpitandro ny filaminana isaky ny toerana fa ny fisafoana matetika kosa no mety ho vahaolana mahomby amin’ity ady amin’ny jiolahy mpanafika « cashpoint » ity.
D.R