- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : Ora roa alohan’ny hivoahan’ny DVD tena izy, efa misy CD...

Isotry : Ora roa alohan’ny hivoahan’ny DVD tena izy, efa misy CD piraty mandehandeha

Lehilahy iray nampiahiahy ny mpitandro filaminana teny amin’ny faritr’Andranomanalina no nosavaina ka nahitana DVD piraty. Ny alarobia teo tamin’ny 11 ora no sarona ny nafenin’ity lehilahy ity. Tamin’io fotoana io, nitondra sakaosy mavesatra be izy ary hafahafa ny fihetsiny, hoy ny vaovao nampitain’ny mpitandro filaminana. Nanatona azy ireo polisy avy ao amin’ny boriborintany faha- 4 eny Isotry ary nanao fisavana. Hita tao anatin’ilay sakaosy ireo DVD tsy niasa miisa hatrany amin’ny 500 sy « jaquette » Safelika 15 marobe. Nanamarika ny voavao fa ity horonan-tsary ity dia vao hivoaka adiny roa alohan’ny nahaitana ireo DVD ireo. Raha ny marina, efa tena misy tambajotra matanjaka mihitsy manao ity piraty ity. Rehefa nohadihadiana ilay lehilahy tratra dia nanoro ny toerana fanaovan’izy ireo ity halatra ity. Toerana iray teny Itaosy no natorony ny mpitandro filaminana. Tsy niandry fa nidina teny ny polisy ary olona iray hafa no tratra tao an-tranony teo am-panaovana « duplicata » mihitsy. Tamin’ny fisavana no nahitana DVD tsy mbola niasa marobe, « jaquette » gasy sy vahiny be dia be, « duplicateur » miisa roa izay mahavita mandika horonan-tsary 300 isan’andro sy fitaovana maro hafa fampiasa amin’ny  hosoka toy izoa tratra izao.

Rehefa nahare ny vaovao moa ny avy ao amin’ny Scoop Digital dia tonga nametraka fitoriana tany amin’ny mpitandro filaminana. Mitohy hatrany kosa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana. Anio no atolotra ny Fampanoavana ny raharaha.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici