- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : Raikitra ny rombon’ny Afrikana sy Gasy, efatra no naratra

Isotry : Raikitra ny rombon’ny Afrikana sy Gasy, efatra no naratra

Iretsy voalohany dia Afrikanina Tatsimo izay mivarotra piesy etsy Isotry. Iretsy faharoa kosa dia Malagasy mivelona eo amin’ny manodidina. Asabotsy, tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany, dia nivoaka ny toeram-pivarotany ireo teratany vahiny ary nidaroka ireo izay nipetrapetraka sy nihainohaino teo ivelan’ilay toerana. Tsy fantatra mazava ny anton’izany, saingy ny vokany kosa dia niteraka hatezeran’ny andian’olona nahatsikaritra an’izany ilay fihetsika. Nifanampy ireo Malagasy ary raikitra tanteraka ny…rombo. Nivoaka koa mantsy ny naman’ireo Afrikana izay mitovy fiaviana aminy ihany. Lasa efa-dahy izy ireo. Niampy ihany koa ireo Malagasy taty ivelany izay nivatsy taon-kifafa sy vy izay sendra azy ireo teo, nentin’ny hatezerana tanteraka. Niditra an-tsehatra hatramin’ny vehivavy nitaiza kely nanampy tamin’ny fanasarahana ireo roa tonta saingy nandamoaka izany. Samy nentin-katezerana mantsy. Voadaroka hatramin’ny zazakely aza tamin’io fotoana io, entina hamaritana izany tsy fahahefezan-tenan’ireo niady teo Isotry ny asabotsy teo. Samy nisy naratra ny andaniny sy ny ankilany. Nentina teny amin’ny hopitaly izay voa ary nanomboka teo ihany koa ny fitoriana nipetraka teny anivon’ ny pôlisy. Raha araka ny fantatra avy amin’ny vavolombelona nahita maso sy nanaraka ny raharaha dia ao amin’ny kaomisaria foibe no nipetraka ny fitorian’ireo Malagasy ary ao amin’ny pôlisin’ny faritany izay manana ny foibeny etsy Ambohidahy kosa ny an’ireo afrikana tatsimo. Inona ny anton’ilay fikasihan-tànana voalohany ary ampy ve ny fepetra nampiasana sandry tetsy Isotry? Miainga amin’izay no hamaritan’ny mpanao fanadihadiana momba ity raharaha izay tsy azo heverina fa tokony ho vita moramora satria nisy ny naratra ary nentina teny amin’ny hopitaly mihitsy aza mba ho fitsaboana azy ary manaraka izany ihany koa dia ny fikasihan-tànana niniana dia heloka mampigadra ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana. 

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici