- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : Roa lahy nitondra kalach nanafika tao anaty 4X4

Isotry : Roa lahy nitondra kalach nanafika tao anaty 4X4

Tao anatin’ny indray mipi-maso monja, dia vita ny fanafihana. Ramatoa tao anatin’ny fiara tsy mataho-dàlana, marika Nissan, no niharan’izany ary azo heverina rahateo fa efa nataon’izy ireo lasibatra na koa efa narahina. Amin’ny andro antoandrobe nanahary, manodidina ny tamin’ny 11 ora, no nisehoan’ny fanafihana. Nitondra kalachikov roa ireo jiolahy. Mihoatra ny roa izy ireo raha ny fitantaran’ny olona, saingy ireo nitondra basy no tena tsikaritra sy tadidy, tsy nisy nisaron-tava rahateo ireo andian-jiolahy. Raha araka ny vaovao azonay, dia harona nisy vato sarobidy no lasa tao anatin’ity fanafihana ity. Nitsoaka tany anaty elakelan-trano ireo olon-dratsy rehefa vita izany. Fantatra ihany koa fa nanao fanamiana mitovy dia ireny fanaon’ny mpitandro ny filaminana ireny ireo jiolahy ireo. Tao anatin’ny fitohanan’ny fiara no nanatontosany ny fandrobana ilay olona tao anaty 4X4. Ilay vato sarobidy no tena nataon’ireo lasibatra ary izay azo iheverana fa efa nahazo vaovao momba an’io ity andian’olon-dratsy ity. Teo imason’ny olona marobe no nitrangan’ny fanafihana satria teo akaikin’ny tsena rahateo no nisehoan’ny fanafihana. Saingy tsy nisy afaka ny namaly ny olona noho ny tahotra, sao hovoatifitry ny basy. Naratra tao anatin’ity fanafihana mitam-basy ity ilay ramatoa tao anaty fiara; izay nokapohan’ireo olon-dratsy tamin’ny vodibasy ny lohany raha saika mba hanohitra izy. Avy aiza indray ny basy sy ny fanamiana miaramila ary amin’ny fomba ahoana no ahasahian’ireo jiolahy ireto manafika eny an-dalambe ? Sa ve efa hainy tsianjery ny fomba fiasan’ny mpitandro ny filaminana eo an-toerana ? Marobe ny fanontaniana azo apetraka…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici