Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny « poste » Ampefiloha ny lehilahy iray 42 taona nivarotra kodiarana efa rovitra miiasa valo. Araka ny vaovao, tamin’ny faha-7 janoary no natao ny fifampivarotana teo amin’ireo mpisoloky sy lehilahy iray teny Ambodifiakarana Isotry. Afaka fotoana elaela vao tonga saina ilay nividy, fa hay zavatra efa simba no nofonosina. Avy hatrany dia nametraka fitoriana izy. Natao ny fikarohana ireo mpivarotra ka tratra tamin’izany ny lehilahy iray. Narary anefa izy io rehefa natao famotorana ka tsy maintsy nentina notsaboina tany amin’ny hopitaly. Ny ampitso, izany hoe ny faha-8 janoary, naverina nofotorana indray izy. Tamin’izay fotoana izay anefa, tafatsoaka ny anao lahy. Natao indray ny fikarohana ka tamin’ny alahady teo no tratra teny Ambohidahy Ambohimanarina ilay lehilahy. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ity olona ity.
r.s.