Nandritra ny fisafoana fanaon’ny polisy ao amin’ny Surêté Urbaine Tananarive, na ny SUT etsy Tsaralalana no nahazoany vaovao nilaza fa misy ramatoa lehibe iray mivarotra rongony eny Ambodifiakarana Isotry. Avy hatrany dia niroso nandeha tany ny dia, ka tratra tao amin’ilay vehivavy 66 taona ny fonosana 41. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa, fametrahana entana sady tsena io toerana io. Rehefa nohadihadiana ilay ramatoabe dia voalaza fa niaiky. Eny amin’ny IVO izy no mividy ireo rongony ireo.
r.s.