- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIsotry : Vehivavy roa MD, saika hanome tsolotra

Isotry : Vehivavy roa MD, saika hanome tsolotra

Mpianaka izy roa, izany hoe ny mamany sy ny zanany vavy. Ny zanany no notazomin’ny polisy voalohany noho ny resaka fisolokiana. Mbola teo am-panaovana fanadihadiana no nipoitra ny reniny ary nanatona ny polisy. Narosony ny volabe mba hanaovana tsolotra entina hamotsorana ny zanany vavy. Tsy nahomby anefa ilay paika ary nifotitra tany amin’izy mianaka. Avy hatrany dia notazomina ilay ramatoa ary nanokafana fanadihadiana koa noho ny fanaovana kolikoly. Samy natolotra ny fampanoavana miadidy ny ady amin’ny kolikoly izy roa ary nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora. Ny tranga toa izao dia toa manamarina fa efa mitady ho tafiditra anaty fiainana andavan’andron’ny olona ny kolikoly. Mihoatra noho izany aza, lasa filàna. Soa anefa tamin’ity indray mitoraka fa mba sendran’ny mpitandro ny filaminana tsy nanaiky izany ireo olona izay efa zatra lalan-dririnina.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici