- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : Vehivavy voaendaka, nijery fotsiny ny olona

Isotry : Vehivavy voaendaka, nijery fotsiny ny olona

Lasan’ny jiolahy ny paoketra izay nisy finday roa, nisy vola iray tapitrisa ariary ary karatry ny banky. Ramatoa iray no niharan’izany omaly tetsy Isotry, tsy mifanalavitra ny barazy misy ny lamasinina. Taraiky kely taty aoriana, 50 metatatra raha be indrindra, ny vadin’ilay ramatoa. Teo indrindra no nanararotan’ireo olon-dratsy nanao ny asany. Poa toa izay dia lasa ny paoketra. Ny tena nampalahelo dia ny fihetsiky ny olona nitazam-potsiny nahita izany rehetra izany. Nisy mpitandro ny filaminana koa teo aloha teo fa dia nody fanina fotsiny, hoy ny tompom-bady. Io farany, antsoina hoe R.S, dia mpisolovava ary vokatr’ity zava-nitranga tamin’ny vadiny ity, dia sahy nilaza mazava fa tena mety aminy ny fitsaram-bahoaka. « Tena sahiko ny miteny fa notapahiko teo ny tanan’ny mpanendaka raha nifanehatra tamiko teo. Nentiko any amin’ny fampanoavana avy eo ary hataoko porofo », hoy ity mpisolovava ity. Kivy tanteraka izy amin’ny zava-nitranga ary azo heverina ihany ilay fiheviny satria ny vadiny no voakasika…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici