Samy nilaza ny tsy nisy naharay fitarainana momba ny rombo teo amin’ny teratany afrikana atsimo sy malagasy izy niseho tetsy Isory ny asabotsy teo ny pôlisy izay tokony niantefan’izany. Midika ve izany fa nisy ny fifandaminana teo amin’ny roa tonta ? Ady teo ivelan’ny toeram-pivarotan’ireo afrikana no niseho, ka raha araka ny fanazavan’ny pôlisy miandraikitra iny boriborintany iny dia resaka « parking » no antony. Nisy ny fidinana an-tsehatra nataon’ny mpitandro ny filaminana saingy noho ny tsy fisian’ny fitarainana dia nijanona hatreto ihany izany.
D.R