Tsy ela dia tratra Ilay jiolahy nangalatra «caméra de surveillance » sady mbola azo sary ny tavany. Taorian’ny fikarohana sy angom-baovao samihafa, niampy ny paikady napetraky ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’Isotry dia nahitam-bokany izany satria voasambotra ny asabotsy ny iray tamin’ireo jiolahy nangalatra teny Isotry, tamin’ny 3 ora maraina. Nahitàna « tablette » miisa roa sy finday 10 tany aminy tamin’ny fisamborana azy, izay mbola ahiahiana fa entana halatra ihany koa. Araka ny fanazavana, nandritra ny fanadihadiana tao amin’ny biraon’ny polisy dia nisy olona lasibatra tamina fanafihana ka nanamafy, fa isan’ireo jiolahy nandroba azy niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana, ny 17 janoary 2025, teo amin’ny tetezan’i Bekiraro ihany ity olon-dratsy ity. Tapitra, araka izany, ny lalan’ity jiolahy ity. Ataolotra ny fitsarana tsy ho ela izy io. Mbola misy namany ihany koa ary efa eo am-pikarohana azy ireo ny mpitandro filaminana. Anisan’ny faritra mafana amin’ny asan-jiolahy toy ny vaky Trano, fanendahana ary hatramin’ny fanafihana mitam-piadiana iny Isotry iny. Manao izay ho afany ny mpitandro filaminana ary misy hatrany ny hetsika ataon’ny polisy manoloana izany.
Yv Sam