Olona iray sendra nandalo no nahatsikaritra biby miendrika voay nilomano tao amin’iny lakandrano tetsy Isotry iny omaly. Vetivety dia nitangorona iny olona.
Raha saika zara raha nisy olona niselintselina ny araben’Antananarivo omaly, nandritra ny fihibohana tanteraka, fepetra noraisin’ny Fanjakana isaky ny faran’ny herinandro, hisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid-19. Tsy toy izany kosa no nitranga nanamorona an’iny lakandranon’Andriantany, tetsy Isotry sy ny manodidina ny tsena iny. Olona marobe no nifanitsa-kitro, samy nitsirika avokoa tao anaty tatatra. Raha ny angom-baovao azo dia voalaza fa nahitàna voay tao amin’io lakandrano io, omaly tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro tany ho any. Vetivety dia niely toy ny tsy teo ny vaovao ka na dia efa samy nihiboka tany an-tokantranony tsirairay avy tany aza ny rehetra dia samy nivoaka daholo nijery indray izany zava-baovao tao anaty tatatra izany.
Nandray ny andraikiny avy hatrany teo anatrehan’ny zava-nisy ireo tompon’andraikitry ny filaminana ary tonga teny an-toerana nandrava ny fitangorongoronana. «Tonga taty aminay tokoa izany vaovao izany saingy tsy hiandry izay voay hipoitra izany izahay fa ny noezahina natao voaloha dia ny nanaparitaka ireo olona nitangorona rehetra teo», hoy ny fanazavàna azo avy amin’ny tamin’ny polisim-pirenena tamin’ny alalan’ny seraseran’izy ireo. Tsy fantatra mazava hatreto na tena nisy izy io na zavatra sendra nitsingevana ka noheverin’ny olona fa biby. Na izany na tsy izany anefa, raha ny vaovao hatrany dia efa nampandrenesina ihany ny tompon’andraikitra mahakasika izay zavatra izay. Tsiahivina mantsy fa efa maro tokoa ireo tranga toy izany : ny fisian’ny biby amin’ny toerana tsy tokony hisy azy, raha tsy hiteny afa-tsy ireo bibilava marobe tetsy Bypass, ny voalaza fa fisian’ny voay tetsy Mandroseza, tetsy Anosizato ary ilay zana-boay nandehandeha tetsy Anosibe.
m.L