- Publicité -
mercredi, juin 4, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : Vola iray tapitrisa no nitifirana olona ho faty

Isotry : Vola iray tapitrisa no nitifirana olona ho faty

Nahoraka  eran’ny tambajotra sosialy ny fisian’ny fitifirana teo imasom-bahoaka ; izay nitranga tetsy Andranomanalina-Isotry, ny zoma lasa teo. Tsy alina akory ny andro, tokony ho tamin’ny fito ora hariva, ary mbola mifanaretsaka ny mpandeha an-tongotra no nisy tampoka ny tifi-basy sy olona nitsirara tamin’ny tany. Maty tsy tra-drano io. Araka ny fanamarinam-baovao dia tovolahy 18 taona izay miasa aman’olona eo Isotry izy io. Mpivarotra « sachet » plastika ny anton’asany ary manampy ny tompon-trano amin’izany izy. Fanao isan-kariva ny manatitra ilay ramatoa mpampiasa azy eny akaikin’ny toeram-ponenany. Somary lasa alohaloha itsy voalohany ary nanaraka azy avy tato aoriana ilay tovolahy. Nisy vola tany amin’io farany tamin’io fotoana io ary isan’ny asany koa raha araka ny fiheverana azy ny mitazona ny vola sasantsasany, izany hoe efa nomena fahatokisana tanteraka izy eo anivon’ny orinasa izay misy azy. Tamin’io harivan’io zoma io anefa, dia nisy telo na efa-dahy izay nifanelanelana ary nanakana tampoka ny làlany. Naka ny vola tamin’ny alàlan’ny endaka sy ny fampihorohoroana tamin’ny basy. Raha noheverina fa nijanona teo amin’ny fahazoana ny vola ny tanjon’ilay fanafihana, raha nihazakazaka hampandre ny mpampiasa azy koa ilay tovolahy ka nitantara ny nanjo azy dia teo amin’izay no nipoaka ny basy. Notifirin’ireo olon-dratsy avy hatrany teo amin’ny faritry ny kibony. Nivoaka hatrany amin’ny lamosiny ny bala. Manodidina ny iray tapitrisa teo ny vola azon’ireo mpanafika, raha araka ny vaovao nohamarinina. Isan’ny mahavarina amin’ity raharaha ity ny fomba namantaran’ireo olon-dratsy, fa misy vola tany amin’io tovolahy io kanefa mety mba hanalàna ny ahiahin’ny jiolahy no antony nametrahan’ny mpampiasa azy ny vola tany aminy. Midika izany, fa misy mpanara-maso tanteraka ny fivezivezen’ny vola ary matanjaka ny jiolahy amin’ny asa fitsikilovana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici