- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : 14 nanafika trano roa, lasa ny vola 5 tapitrisa sy...

Itaosy : 14 nanafika trano roa, lasa ny vola 5 tapitrisa sy firavaka volamena

Trano roa no vaky, olona enina nafatotry ny jiolahy. Nanjaka tanteraka ry zalahy

Nisehoana fanafihan-jiolahy mitam-piadina teny amin’ny faritr’Itaosy ny alin’n’y asabotsy teo. Trano roa no lasibatra tamin’izany. Ny iray voalohany teny Ambavahaditokana ary ny faharoa teny Bemasoandro. Ny loharanom-baovao no nahafantatrana fa mpihavana ny tompon’ireo trano voatafika ireo.

Tokony ho tamin’ny 11 ora alina, ny asabotsy no tonga namaky ny trano tao Ambavahaditopkana ireo jiolahy. Nihanika tamboho izy ireo ary avy eo novakiany ny varavarana. Rehefa tafiditra ry zalahy dia tsy nisy afaka nihetsika intsony ireo tao anaty trano. Enina izy ireo ary voalaza fa nofatoran’ireo olon-dratsy avokoa. Rehefa izany, nanarampo tamin’ny fangalarana ireo jiolahy. Lasany ny vola 2 tapitrisa ariary, ny telefôna ary ny peratra volamena. Elalea ihany ry zalahy no tao amin’ilay toerana, satria voalaza fa naharitra adiny iray tany ho any. Rehefa azony izay nilainy dia nandeha nanafika teny Bemasoandro indray ireto mpangalatra ireto, hoy hatrany ny vaovao voaray. Efa tamin’ny 2 ora sy sasany maraina no niseho ity vaky trano faharoa ity. Nitovitovy sahala amin’ilay voalohany ihany, hoy ny loharanom-baovao. Lasan’izy ireo ny vola 3,2 tapitrisa ariary. Niala ny toerana izy ireo avy eo. Efa nampandrenesina ny mpitandro filaminana izay tonga teny amin’ireo toerana ireo. Efa lasa ela anefa ireo jiolahy ary tsy mbola nisy tratra aloha hatramin’izao. Miverina ho faritra mena indray izany iny Itaosy iny sy ny manodidina azy akaiky iny.

Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser