- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : 4x4 nivadika, voalaza fa mamo ilay karàna nitondra

Itaosy : 4×4 nivadika, voalaza fa mamo ilay karàna nitondra

4.4-NITROFiara tsy mataho-dalàna iray no nivadika ambony ambany teny Itaosy Avarabohitra, omaly vao maraim-be. Raha ny voalazan’ireo nanatri-maso, dia terantany Karàna no nitondra an’ity fiara ity ary efa somary mamo ihany izy no nitondra an’ilay fiara. Tokony ho tamin’ny 2ora maraina teo ity fiara ity no hitan’ny olona, nivilambilana nanaraka ny moron-tanimbary. Nandeha moramora ihany ity fiara ity ary efa latsaka tany ny kodiarany, saingy mbola tafarina ihany, raha ny filazan’ireo nanatri-maso hatrany. Nony farany, latsaka indray mandeha ary tsy voarina intsony fa dia nikodiadia, latsaka tany an-tanimbary mbamin’ilay vata-ben’ilay fiara. Nivadika ambony ambany mihitsy. Mba tsy naninona aloha ity karàna mpamilin’ity fiara ity tamin’io fotoana io ary ny mponina teny an-toerana no nanampy azy niala tao anatin’ilay fiara.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser